Ezekiel 14:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
na dia ao aza i Noa sy i Daniela ary i Joba, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka eo afovoan’io tany io koa i Nôe sy i Daniela ary i Jôba, velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh; - tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo, fa ny tenany ihany no hahavonjy ny fanahiny, noho ny fahamarinany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia nonina tao aza i Noà sy i Daniela ary i Jôba, dia ny ain’izy telo lahy ihany no ho voaaron’ny fahamarinany. Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy ho afaka hamonjy na dia ny zanany lahy sy vavy aza ireo.»
Malagasy Bible 1865
na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.