Ezekiel 14:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Koa mainka raha alefako hamely an’i Jerosalema ireto fitsarako efatra mandoza ireto, dia ny sabatra sy ny mosary ary ny biby masiaka sy ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Na dia rehefa nalefako hamely an’i Jerosalema aza ny fikapohana efatra mandoza: ny sabatra, ny mosary, ny biby masiaka, ary ny pesta, ka nandringana ny olona sy ny biby,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao kosa avy eo no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY tamiko: «Na dia nalefako hamely an’i Jerosalema aza ireo famaizako efatra mandoza ireo, izany hoe ny ady sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba handripahana ny olona sy ny biby fiompy,
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Koa mainka raha alefako hamely an'i Jerosalema izao fitsarako efatra mandoza izao, dia ny sabatra sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Koa mainka raha alefako hamely an’i Jerosalema ireto fitsarako efatra mandoza ireto, dia ny sabatra sy ny mosary ary ny biby masiaka sy ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!
malagasy