Ezekiel 14:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa indro, hisy sisa afaka ihany izy hoentina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy. Indro, hivoaka ho any aminareo ireo ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin’ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin’i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hisy sisa ihany, ho afa-mandositra, ka hivoaka ny tanàna, dia zanaka lahy, sy zanaka vavy. Ho avy eo aminareo izy, dia hahita ny fitondran-tenany aman’asany ianareo, ka dia hionona ianareo ny amin’ny loza nalefako hamely an’i Jerosalema, dia ny amin’izay rehetra nataoko nihatra taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia misy ihany olona vitsivitsy lahy sy vavy sisa tavela. Navoaka hiala ny tanàna izy ary hanaraka anareo any am-pahababoana. Rehefa mahita ny fitondrantenany sy ny ataony ianareo, dia hionona amin’ny loza rehetra izay navelako hianjady amin’i Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Kanefa, indro, hisy sisa afaka ihany izy ho entina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy; indro, hivoaka ho any aminareo ireo, ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin'ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin'i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa indro, hisy sisa afaka ihany izy hoentina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy. Indro, hivoaka ho any aminareo ireo ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin’ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin’i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.
malagasy
Kanefa, indro, hisy sisa afaka ihany izy ho entina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy; indro, hivoaka ho any aminareo ireo, ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin'ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin'i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.Eny, hampionona anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony; ka dia ho fantatrareo fa tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy Jehovah Tompo.