Ezekiel 14:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny amin’ny olona rehetra amin’ny taranak’Israely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho TOMPO no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, mitenena aminy ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Na zovy na zovy, amin’ny taranak’i Israely manangana ny sampin-doza ao am-pony, sy manao eo anoloan’ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha sendra manatona ny mpaminany izy io, dia Tenako Izaho Iaveh no hamaly azy, araka ny tandrifin’ny sampiny maro,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Raha misy Israelita mampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin’ny heloka no apetrany eo anoloany, nefa avy eo izy tonga hila hevitra amin’ny mpaminany, dia Izaho Tompo mihitsy no hamaly izany olona izany araka ny hamaroan’ireo sampy notompoiny.
Malagasy Bible 1865
Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny olona rehetra amin'ny taranak'Isiraely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho Jehovah no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny amin’ny olona rehetra amin’ny taranak’Israely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho TOMPO no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny,
malagasy