Ezekiel 14:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Mibebaha, dia mialà amin’ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, mialà aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Miverena ianareo; mialà amin’ny sampin-dozanareo; ary miambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, ambarao amin’ny Israelita fa iza no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Ialao ny toe-dratsy, ilaozy ny sampinareo sy ny fomba rehetra maharikoriko fanaonareo.›
Malagasy Bible 1865
Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Mibebaha, dia mialà amin’ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, mialà aminy.
malagasy
Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny.