Ezekiel 14:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra dia Izaho TOMPO no nitaona izany mpaminany izany; hatsotrako aminy ny tanako ka hofongorako tsy ho eo amin’ny Israely oloko izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha mety ho voasodoka ny mpaminany, ka manonona teny sasantsasany, dia Izaho Iaveh no ho nanodòka an’izany mpaminany izany; ary haninjitra ny tanako aminy Aho, ary hofongorako eo amin’ny vahoakako Israely izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy mpaminany voataona hamaly araka ny tenany ihany, dia Izaho TOMPO no efa nampanao azy izany; ary hanamparako ny heriko izy ka hoesoriko tsy ho eo amin’i Israely vahoakako.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra, dia Izaho Jehovah no nitaona izany mpaminany izany; ary hahinjitro aminy ny tanako, ka hofongorako tsy ho eo amin'ny Isiraely oloko izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra dia Izaho TOMPO no nitaona izany mpaminany izany; hatsotrako aminy ny tanako ka hofongorako tsy ho eo amin’ny Israely oloko izy.
malagasy
Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra, dia Izaho Jehovah no nitaona izany mpaminany izany; ary hahinjitro aminy ny tanako, ka hofongorako tsy ho eo amin'ny Isiraely oloko izy.