Ezekiel 16:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary akanjo rongony fotsy madinika sy lamba landy ary lamba misoratsoratra no fitafianao. Koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao. Nitombo hatsaran-tarehy ianao sady nambinina ka tonga miendrika andriana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niravaka volamena amam-bolafotsy ianao; ary nitafy rongony fotsy madinika sy amparasily aman’amborodao. Vary tsara indrindra sy tantely aman-diloilo no fihinanao; ary tonga tsara tarehy indrindra ianao, sy nahazo ny fiamboniam-panjakana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Volafotsy sy volamena ny firavakao, rongony sy landy ary lamba vita peta-kofehy ny fitafianao. Koba tsara sy tantely ary menaka ôliva no sakafonao ka tonga tsara tarehy indrindra ianao ary sahaza ny ho mpanjakavavy.
Malagasy Bible 1865
ka dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary rongony fotsy madinika sy amparasily ary lamba misoratsoratra ny fitafianao; koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao; ary efa nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy ianao sady nambinina ho miendrik'andriana
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary akanjo rongony fotsy madinika sy lamba landy ary lamba misoratsoratra no fitafianao. Koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao. Nitombo hatsaran-tarehy ianao sady nambinina ka tonga miendrika andriana.
malagasy