Ezekiel 16:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niely tany amin’ny Jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao, satria tonga tamin’ny fanaperany izany noho ny famirapiratana izay nataoko teo aminao, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanehoeho laza hatrany amin’ny firenena ny anaranao noho ny hatsaran-tarehinao, fa lavorary loatra izy, noho ny famirapiratako nataratro taminao, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niely eran’izao tontolo izao ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao, fa tena kanto ianao satria nohaingoiko fatratra. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
Malagasy Bible 1865
Ary dia niely tany amin'ny jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao; fa tanteraka izany noho ny voninahitro izay nataoko taminao, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niely tany amin’ny Jentilisa* aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao, satria tonga tamin’ny fanaperany izany noho ny famirapiratana izay nataoko teo aminao, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
Ary dia niely tany amin'ny jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao; fa tanteraka izany noho ny voninahitro izay nataoko taminao, hoy Jehovah Tompo.