Ezekiel 16:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan’ireo ho hanitra ankasitrahana. Izany tokoa no nitranga, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mofoko nomeko anao, ny vary tsara indrindra, ny diloilo aman-tantely namahanako anao, nataonao teo anoloan’ireo avokoa, ho fanatitra manam-pofona mahafinaritra. Izany no natao, - teny marin’i Iaveh Tompo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataonao fanatitra taminy mba ho hanitra ankasitrahiny ny sakafo rehetra izay nomeko anao, dia ny koba tsara indrindra sy ny menaka ary ny tantely izay nafahako anao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan'ireo ho hanitra ankasitrahana; teo tokoa izany, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan’ireo ho hanitra ankasitrahana. Izany tokoa no nitranga, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy