Ezekiel 16:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, natsotrako taminao ny tanako ka nahenako ny anjara haninao, ary natolotro ho amin’ny sitrapon’izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin’ny Filistina izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka indro, naninji-tanana taminao Aho: ny anjaranao nahenako; ianao, natolotro hianjadian’ny fahavalonao, dia ireo zanaka vavin’ny Filistinina izay menatra noho ny fitondran-tena ratsinao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nanampatra ny heriko hamelezana anao Aho: notapahiko ny sakafonao sady natolotro hiaranan’ny fahavalonao ianao, dia ireo tanàna filistinina izay menatra noho ny fitondrantenanao tsy mendrika.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, nahinjitro taminao ny tanako. ka nahenako ny anjara-haninao, ary natolotro ho amin'ny sitrapon'izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin'ny Filistina, izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, natsotrako taminao ny tanako ka nahenako ny anjara haninao, ary natolotro ho amin’ny sitrapon’izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin’ny Filistina izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.
malagasy