Ezekiel 16:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary mbola nampitomboinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin’ny tanin’ny mpivaro-mandeha; fa na dia tamin’izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampitomboinao ny fijangajanganao, teo amin’ny tany Kanaana, ka hatrany Kaldea, nefa na izany aza, tsy mbola nahafapo anao ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanao fijangajangana maro tany amin’ny tanin’ny Babilônianina ianao, dia tamin’ireo mpivarotra; nefa mbola tsy nahafa-po anao ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary mbola nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin'ny tanin'ny mpandranto. Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin'izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary mbola nampitomboinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin’ny tanin’ny mpivaro-mandeha; fa na dia tamin’izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao.
malagasy
Ary mbola nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin'ny tanin'ny mpandranto. Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin'izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao. [Heb tany Kanana: izaho xxvv 4]