Ezekiel 16:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hafa noho ny an’ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin’ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome karama maloto ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra no maha hafa anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hafa noho ny amin’ny vehivavy hafa no nihatra taminao, tamin’ny fijangajanganao, fa tsy mba nisy olona nitady anao. Tamin’ny nanomezanao tangy fa tsy mba nomena kosa ianao, dia tonga mifanohitra amin’ny ataon’ny olona ny nataonao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hafa noho ireo vehivavy janga ianao raha mijangajanga, satria tsy mba notadiavina na nomena tambiny, fa ianao indray no mandoa vola; ka dia izany mihitsy no mahahafa anao.
Malagasy Bible 1865
Ary hafa noho ny amin'ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin'ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome tangy ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra no mahahafa anao
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hafa noho ny an’ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin’ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome karama maloto ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra no maha hafa anao.
malagasy