Ezekiel 16:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nandanianao vola be sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin’ny nijangajanganao tamin’ireny mpitia anao ireny sy ny sampinao rehetra, izay fahavetavetanao, ary noho ny ran’ny zanakao izay naterinao ho an’ireo,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny volanao lany sy ny fitanjahanao naseho tamin’ny fijangajanganao tamin’ny lehilahinao sy tamin’ny sampy fahavetavetana rehetra, sy noho ny ran’ny zanakao naterinao ho an’ireo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Nahanjahanjanao sy nasehonao tokoa ny fitanjahanao fony ianao nijangajanga tamin’ireo lehilahinao, dia ireo sampinao rehetra maharikoriko; eny, namono ho faty ny zanakao aza ianao ka nanao sorona azy tamin’ireo sampinao.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao volabe sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin'ny nijangajanganao tamin'ireny lehilahinao sy ny sampinao rehetra. izay fahavetavetanao. ary noho ny ran'ny zanakao izay naterinao ho an'ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nandanianao vola be sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin’ny nijangajanganao tamin’ireny mpitia anao ireny sy ny sampinao rehetra, izay fahavetavetanao, ary noho ny ran’ny zanakao izay naterinao ho an’ireo,
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao volabe sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin'ny nijangajanganao tamin'ireny lehilahinao sy ny sampinao rehetra. izay fahavetavetanao. ary noho ny ran'ny zanakao izay naterinao ho an'ireo. [Heb. nanidinanao varahina]