Ezekiel 16:41 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hodorany amin’ny afo ny tranonao ka hotanterahiny eo imason’ny vehivavy maro ny famaliana anao. Hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hisy karama maloto intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Handoro ny tranonao amin’ny afo izy, ary hanefa fitsarana mahavoa anao eo imason’ny vehivavy betsaka; hataoko mitsahatra ny fijangajanganao, ka dia tsy hanangy intsony ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary handoro ny tranonao. Hotanterahiny eo imason’ny vehivavy marobe ny didim-pitsarana famaizana anao. Hofaranako hatreo ny fiainam-pijangajanganao ka tsy handoa tamby amin’ny lehilahy intsony ianao.
Malagasy Bible 1865
Ary hodorany amin'ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason'ny vehivavy maro ny famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hodorany amin’ny afo ny tranonao ka hotanterahiny eo imason’ny vehivavy maro ny famaliana anao. Hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hisy karama maloto intsony.
malagasy
Ary hodorany amin'ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason'ny vehivavy maro ny famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony.