Ezekiel 16:43 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andron’ny fahatanoranao fa nirongatra nanohitra Ahy tamin’ireo rehetra ireo ianao, dia indro, ny lalanao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin’ny fahavetavetanao rehetra va ianao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andron’ny fahatanoranao, sy nampahatezeranao Ahy tamin’izany ratsy rehetra izany, dia indro hatsingeriko eo an-dohanao ny fitondran-tenanao; - teny marin’ny Tompo Iaveh; - fa tsy hanao ny fahalotoanao mbamin’ny fahavetavetanao rehetra intsony ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria tsy nahatsiaro izay vitako taminao fony fahazaza ianao fa nampahatezitra Ahy tamin’ireo ratsy rehetra ireo, dia hatambesatro aminao ny vokatry ny fitondrantenanao! Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Moa tsy nanao izany toetra tsivalahara izany ve ianao ho fanampin’ny fanompoan-tsampy rehetra vitanao?»
Malagasy Bible 1865
Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa niempo nanohitra Ahy tamin'ireo rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin'ny fahavetavetanao rehetra va ianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andron’ny fahatanoranao fa nirongatra nanohitra Ahy tamin’ireo rehetra ireo ianao, dia indro, ny lalanao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin’ny fahavetavetanao rehetra va ianao?
malagasy
Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa niempo nanohitra Ahy tamin'ireo rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin'ny fahavetavetanao rehetra va ianao?[Heb. lalanao][Na: Fa raha tsy izany, dia Izao indray no hanao ratsy miohatra noho ny fahavetavetanao rehetra]