Ezekiel 16:45 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianao dia zanakavavin-dreninao izay mahafoy ny vady aman-janany; ary ianao dia rahavavin’ireo rahavavinao izay nahafoy ny vady aman-janany. Hetita ny reninareo ary Amorita ny rainareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tena zanaka vavin’ny reny nanary vady aman-janaka ianao; sady rahavavin’ny rahavavinao nanary vady aman-janaka koa; Heteanina ny reninareo, ary Amôreana ny rainareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hay tokoa moa ianao no zanakavavin-dreninao, dia ilay vehivavy nankahala ny vady aman-janany. Mitovy amin’ireo rahavavinao izay nankahala ny vady aman-janany ianao. Hetita ny reninareo ary Amôrita ny rainareo.
Malagasy Bible 1865
Hianao dia zanakavavin-dreninao, izay mahafoy ny vadiny aman-janany; ary ianao dia rahavavin'ireo rahavavinao, izay nahafoy ny vadiny aman-janany; Hetita no reninareo, ary Amorita no rainareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianao dia zanakavavin-dreninao izay mahafoy ny vady aman-janany; ary ianao dia rahavavin’ireo rahavavinao izay nahafoy ny vady aman-janany. Hetita ny reninareo ary Amorita ny rainareo.
malagasy
Hianao dia zanakavavin-dreninao, izay mahafoy ny vadiny aman-janany; ary ianao dia rahavavin'ireo rahavavinao, izay nahafoy ny vadiny aman-janany; Hetita no reninareo, ary Amorita no rainareo.