Ezekiel 16:46 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Samaria no zokinao vavy, dia izy sy ny zanany vavy izay monina eo ankavianao; ary ny zandrinao vavy izay monina amin’ny ankavananao, dia i Sodoma sy ny zanany vavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zokinao vavy, monina ao ankavianao, dia i Samaria mbamin’ny zanany vavy; ary i Sôdôma mbamin’ny zanany vavy no zandrinao vavy monina eo ankavananao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Samaria any avaratra mbamin’ireo zana-bohiny no zokinao vavy, ary i Sôdôma ao atsimo mbamin’ireo zana-bohiny no zandrinao vavy.
Malagasy Bible 1865
Samaria no zokinao-vavy, dia izy sy ny zananivavy izay monina eo an-kavianao; ary ny zandrinao vavy, izay monina amin'ny an-kavananao, dia Sodoma sy ny zananivavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Samaria no zokinao vavy, dia izy sy ny zanany vavy izay monina eo ankavianao; ary ny zandrinao vavy izay monina amin’ny ankavananao, dia i Sodoma sy ny zanany vavy.
malagasy
Samaria no zokinao-vavy, dia izy sy ny zananivavy izay monina eo an-kavianao; ary ny zandrinao vavy, izay monina amin'ny an-kavananao, dia Sodoma sy ny zananivavy.