Ezekiel 16:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nisy maso niantra anao ka nanao izany taminao, na dia iray akory amin’ireo zavatra ireo aza, mba hamindrana fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin’ny andro nahaterahanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nisy nijery maso antra anao, ka mba nanao iray akory tamin’ireo fikarakarana ireo, noho ny indrafo anao; fa tamin’ny andro nahaterahanao, dia nariana tany an-tsaha ianao, fa narikoriko anao ny olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nisy olona niantra na nangoraka mba hikarakara anao. Fa naharikoriko azy ianao ka natsipiny hitanjaka teo amin’ny tany raha vao teraka.
Malagasy Bible 1865
Tsy nisy maso niantra anao hanao izany aminao, na dia iray akory amin'ireo zavatra ireo aza, mba hamindra fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao, satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin'ny andro nahaterahanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nisy maso niantra anao ka nanao izany taminao, na dia iray akory amin’ireo zavatra ireo aza, mba hamindrana fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin’ny andro nahaterahanao.
malagasy