Ezekiel 16:51 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Samaria dia tsy ampy antsasaky ny fahotanao ny nataony; fa ianao dia nampitombo ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina indray tamin’ny fahavetavetanao rehetra izay nataonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Samaria koa, tsy nahavita antsasaky ny fahotanao akory, fa nampitombo ny fahotanao mihoatra ny azy ianao; ka nanamarina ny rahavavinao ianao, tamin’ny fahavetavetanao rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Samaria ihany koa dia tsy nahavita ny antsasaky ny fahotana nataonao akory! Maharikoriko lavitra noho izay vitany no nataonao. Koa i Sôdôma sy i Samaria rahavavinao dia toa tsy manan-tsiny raha ampitahaina aminao!
Malagasy Bible 1865
Ary tsy ampy antsasaky ny fahotanao ny nataon'i Samaria; fa ianao efa nampitombo ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina indray tamin'ny fahavetave-tanao rehetra izay nataonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa i Samaria dia tsy ampy antsasaky ny fahotanao ny nataony; fa ianao dia nampitombo ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina indray tamin’ny fahavetavetanao rehetra izay nataonao.
malagasy