Ezekiel 16:52 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianao koa dia aoka hitondra ny henatrao araka ny nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo ka miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao ka mitondrà ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ianao koa hitondra ny henatrao, izay nailikao tamin’ny rahavavinao, noho ny fahotanao izay nampitomboanao ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, fa marina noho ianao izy. Aoka ho safo-kenatra sy hitondra latsa koa ianao, fa efa nanamarina ny rahavavinao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa zakao ny fahafaham-baràkanao fa nanamarina ireo rahavavinao ianao tamin’ny nanaovanao fahotana maharikoriko kokoa noho ny azy, ka toa miseho ho marina eo anatrehanao izy izao. Mba menatra kosa ianao ka zakao ny fahafaham-baràkanao noho ny nampisehoanao ireo rahavavinao ho toa marina!
Malagasy Bible 1865
Hianao koa dia aoka hitondra ny henatrao araka ny efa nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo, ka dia miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao, ka mitondrà ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianao koa dia aoka hitondra ny henatrao araka ny nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo ka miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao ka mitondrà ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina.
malagasy