Ezekiel 16:61 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hotsarovanao ny lalanao ka ho menatra ianao rehefa mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao ka homeko ho zanakao vavy ireo, na dia tsy mba isan’izay nanaovako fanekena taminao aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hahatsiaro ny fitondran-tenanao ianao ka ho menatra, raha avy izay handraisanao ireo rahavavinao, na ny lehibe noho ianao na ny kely noho ianao, sy hanomezako an’ireo ho zanakao vavy, fa tsy noho ny fanekena taminao akory anefa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hahatsiaro ny fitondrantenanao ianao ka ho menatra rehefa mahita indray ireo zokinao vavy sy zandrinao vavy; fa hatolotro anao ho toy ny zanakavavy ireo na dia tsy anisan’ny zavatra nanaovako fanekempihavanana taminareo aza izany.
Malagasy Bible 1865
Dia hotsarovanao ny nalehanao, ka ho menatra ianao, raha mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao; ka homeko ho zanakao-vavy ireo, na dia tsy mba isan'ilay nanaovako fanekena taminao aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hotsarovanao ny lalanao ka ho menatra ianao rehefa mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao ka homeko ho zanakao vavy ireo, na dia tsy mba isan’izay nanaovako fanekena taminao aza.
malagasy