Ezekiel 16:63 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba hahatsiarovanao sy hangaihaizanao ary tsy hiloa-bava intsony ianao noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin’ny nataonao rehetra Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba hahatsiaro sy ho menatra ary tsy hiloa-bava intsony noho ny henatra ianao, rehefa avy izay hanaovako fanonerana ho anao, noho ny nataonao rehetra, - teny marin’ny Tompo Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay dia hahatsiaro ny lasa ianao ka ho menatra tsy hahateny, fa Izaho kosa hamela anao amin’izay ratsy rehetra nataonao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
Malagasy Bible 1865
mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin'ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba hahatsiarovanao sy hangaihaizanao ary tsy hiloa-bava intsony ianao noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin’ny nataonao rehetra Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin'ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.