Ezekiel 16:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa nataoko alinalina toy ny zavamaniry any an-tsaha ny isanao ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nampitomboiko, toy ny ahitra any an-tsaha ianao, ka nitombo, nihalehibe, tonga tsara tarehy tapitra ohatra tokoa, naniry nono, ary tonga taona fanambadiana, nefa nihanjahanja ianao, niboridana mihitsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampitomboiko toy ny zava-maniry eny an-tsaha ianao. Nihalehibe ianao sady nivelatra ka tonga tsara tarehy erỳ: naniry nono sady naniry volo ianao, nefa mbola nitanjaka sy niboridana.
Malagasy Bible 1865
Efa nataoko alinalina, toy ny zava-maniry any an-tsaha, ny isanao, ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo, nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa nataoko alinalina toy ny zavamaniry any an-tsaha ny isanao ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany.
malagasy