Ezekiel 16:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha nandalo Aho ka nijery anao dia hitako fa izay no fotoananao, dia ny fotoanan’ny fitiavana. Dia narakotro anao ny ilan’ny lambako ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianina taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tonga Ahy ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandalo teo akaikinao Aho ka nahita anao; dia efa tonga ny fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana; ka novelariko taminao ny ila lambako, nanaronako ny fitanjahanao ary nianiana taminao Aho, ka nanao fihavanana taminao, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - ka dia Ahy ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandalo teo anilanao indray Aho, ka hitako fa tonga amin’ny taonan’ny fitiavana ianao. Koa narakotro anao ny lambako mba hanarona ny fitanjahanao. Nianiana Aho fa tsy hivadika aminao sady nanao fanekempihavanana taminao, ka Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nandalo Aho ka nijery anao, dia hitako fa izay no fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana: ary narakotro anao ny lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha nandalo Aho ka nijery anao dia hitako fa izay no fotoananao, dia ny fotoanan’ny fitiavana. Dia narakotro anao ny ilan’ny lambako ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianina taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tonga Ahy ianao.
malagasy