Ezekiel 17:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazao amin’ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr’ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’i Babilona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao dia nitondra azy ho any aminy any Babilona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy fantatrareo va ny hevitr’izany? Lazao hoe: Indro, tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’i Babilôna, ka naka ny mpanjakany ama-mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babilôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Anontanio ange ireo olona maditra ireo raha mba fantany akory ny dikan’izany fanoharana izany e! Ampahatsiahivo azy ny fomba nidiran’ny mpanjakan’i Babilôna tao Jerosalema, ny nisamborany ny mpanjaka sy ireo mpitondra ambony mbamin’ny nitondrany azy tany Babilôna.
Malagasy Bible 1865
Lazao amin'ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr'ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, efa tonga tany Jerosalema ny mpanjakan'i Babylona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babylona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazao amin’ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr’ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’i Babilona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao dia nitondra azy ho any aminy any Babilona.
malagasy