Ezekiel 17:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nikomy taminy anefa izy ireo ka nandefa iraka hankany Ejipta mba hanome soavaly sy olona maro azy. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy ka ho afa-mandositra va?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niodina tamin’io anefa izy, fa nandefa iraka tany Ejipta mba hanome soavaly sy olona maro azy. Ka hahomby va izy? Ho afa-mandositra va izay nanao izany? Nivadi-panekena izy, ka ho afa-mandositra ve!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo ity mpanjaka vaovao nikomy tamin’ny mpandresy, ary nandefa iraka tany Ejipta mba hangataka soavaly sy miaramila marobe. Hahomby sy ho tafavoaka ve izy raha nanao izany? Tsy ho tafavoaka mihitsy izy, satria tsy nitandro fifanekena!
Malagasy Bible 1865
Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nikomy taminy anefa izy ireo ka nandefa iraka hankany Ejipta mba hanome soavaly sy olona maro azy. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy ka ho afa-mandositra va?
malagasy