Ezekiel 17:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia any amin’ny tanin’ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy, nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny, eny, any amin’io, any Babilona, no hahafatesany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - dia any amin’ny tanànan’ilay mpanjaka nampanjaka azy nanamavoany ny fihavanany, nivadihany fanekena, any amin’io any Babilôna no hahafatesany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa ho faty any amin’ny tanin’ilay mpanjaka izay nahatonga azy hanjaka io mpanjaka io. Nanao tsinontsinona ny fianianana nataony ary tsy nitandro ny fifanekena vita izy, ka ho faty any Babilôna.
Malagasy Bible 1865
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia any amin'ny tanin'ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny eny, any amin'io, any Babylona, no hahafatesany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia any amin’ny tanin’ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy, nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny, eny, any amin’io, any Babilona, no hahafatesany.
malagasy