Ezekiel 17:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nanamavo ny fianianana izy tamin’ny nivadihany ny fanekena, fa e! Efa nanaiky izy, kanefa dia izany rehetra izany no nataony ka tsy ho afa-mandositra izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanamavo ny fianianana izy, tamin’ny nivadihany ny fanekena, nefa efa nanolo-tanana; efa nanao izany rehetra izany izy, ka tsy ho afa-mandositra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanao tsinontsinona ny fianianana nataony io mpanjaka io raha tsy nitandro ny fifanekena. Nanao ireo hadisoana rehetra ireo izy ka tsy tafavoaka satria efa nanome toky tamim-pianianana.
Malagasy Bible 1865
Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin'ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tànany izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nanamavo ny fianianana izy tamin’ny nivadihany ny fanekena, fa e! Efa nanaiky izy, kanefa dia izany rehetra izany no nataony ka tsy ho afa-mandositra izy!
malagasy
Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin'ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tànany izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.