Ezekiel 17:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Velona Aho, dia ny fianianana tamiko no nohamavoiny ary ny fanekeko no nivadihany, ka hatsingeriko eo an-dohany izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Velona Aho ka mianiana fa noho ny mpanjakan’i Israely nanao tsinontsinona ny fifanekena izay nianianany hotandremana, dia hampihariko aminy ny vokatr’izany.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
malagasy
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.