Ezekiel 17:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon’ny sabatra, ary izay sisa tavela dia haely ho eny amin’ny rivotra rehetra, dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no niteny izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpandositra rehetra tamin’ny miaramilany rehetra, ho lavon’ny sabatra; ary ny sisa kosa, haely amin’ny vazantany rehetra; dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh no niteny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho faty an’ady ireo miaramila kinga amin’ny andian-tafiny rehetra, ary izay sisa velona dia haely amin’ny vazan-tany efatra: Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no efa niteny taminareo.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho amin'ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon’ny sabatra, ary izay sisa tavela dia haely ho eny amin’ny rivotra rehetra, dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no niteny izany.
malagasy
Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho amin'ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny izany.