Ezekiel 17:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izaho haka amin’ny rantsana avo indrindra amin’ny sedera avo ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron’ny laingony milenodenoka ka hamboleko ao amin’ny tendrombohitra avo sy milangalanga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hangalako ny tendron’ny sedera avo, ka hamboleko; holaingosako ny sampany milenodenoka amin’ny loha rantsany, ka hamboleko eo an-tampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Izaho mihitsy no haka rantsan-kazo tanora iray eny an-tendron’ny hazo sedera avo, ary hamboleko izany; eny amin’ny lohan’ny rantsany no hakako izany, ka hamboleko eny an-tendrombohitra avo be.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin'ny rantsana avo indrindra amin'ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron'ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin'ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izaho haka amin’ny rantsana avo indrindra amin’ny sedera avo ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron’ny laingony milenodenoka ka hamboleko ao amin’ny tendrombohitra avo sy milangalanga.
malagasy