Ezekiel 17:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ao amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samihafa rehetra dia hitoetra ao aminy; ao amin’ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eo amin’ny tendrombohitra avon’i Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy, ary ho tonga sedera mahatalanjona honenan’izao fody amam-boro-madinika rehetra izao eo amboniny, honenan’ny vorona rehetra eo amin’ny alokaloky ny rantsany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny an-tendrombohitra avon’i Israely no hamboleko azy. Handrobona ny rantsany ka hamoa, dia hanjary sedera mahafinaritra izy. Hanao akany eny amin’ny rantsany sy hitoetra eo ambany alony ny vorona isan-karazany.
Malagasy Bible 1865
Ao amin'ny tendrombohitra avon'ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin'ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ao amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samihafa rehetra dia hitoetra ao aminy; ao amin’ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.
malagasy
Ao amin'ny tendrombohitra avon'ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin'ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany.