Ezekiel 17:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanalany koa ny voan-javatra tamin’ny tany ka namboleny tao amin’ny tany lonaka. Noentiny ho eo amoron’ny rano betsaka iny ka nataony araka ny fanao amin’ny hazomalahelo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany dia nangalany koa ny zava-maniry tamin’ny tany nataony teo amin’ny tany lonaka, nataony teo amoron’ny rano be, namboleny toy ny famboly hazomalahelo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalainy koa ny voa famafy anankiray hafa tao amin’ny tanin’i Israely ka naleviny tao anaty saha lonaka. Avy eo dia nafindrany teo amoron’ny rano mikoriana ny tsimok’io voa famafy io, ka nataony araka ny fanao amin’ny zanaka hazomalahelo.
Malagasy Bible 1865
Nangalany koa ny voan-javatra tamin'ny tany ka namboleny tao amin'ny tany lonaka; nentiny ho eo amoron'ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin'ny hazomalahelo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanalany koa ny voan-javatra tamin’ny tany ka namboleny tao amin’ny tany lonaka. Noentiny ho eo amoron’ny rano betsaka iny ka nataony araka ny fanao amin’ny hazomalahelo.
malagasy
Nangalany koa ny voan-javatra tamin'ny tany ka namboleny tao amin'ny tany lonaka; nentiny ho eo amoron'ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin'ny hazomalahelo.