Ezekiel 17:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka mba hitodihan’ny rantsany ho eo amin’ilay voromahery ary ny fotony ho ao ambaniny; koa tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naniry io, tonga foto-boaloboka nisandrahaka, ivaiva ihany, nitodika nankany amin’ilay voromahery ny rantsany, ary tao ambaniny koa ny fakany; tonga voaloboka izy, ka sady nanaroka no nandrantsana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary naniry tokoa izany, dia tonga foto-boaloboka niroborobo sady nandadina. Nisandrahaka ny rantsany ka nitodika ho any amin’ilay voromahery ary ny fakany nitatra teo ambaniny. Tonga voaloboka izy ka nanome sakelika sy rantsana vaovao hatrany.
Malagasy Bible 1865
Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka, mba hitodihan'ny rantsany ho eo aminy ary ny fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka mba hitodihan’ny rantsany ho eo amin’ilay voromahery ary ny fotony ho ao ambaniny; koa tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.
malagasy
Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka, mba hitodihan'ny rantsany ho eo aminy ary ny fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.