Ezekiel 17:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazaonao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny vahany ary hotazana ny voany mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra raha vao mitsimoka ka tsy ilàna sandry mahery na vahoaka betsaka akory hanongotra azy amin’ny fotony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lazao hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ka hahintsana koa ny voany, mba hahamaina azy? Halazo ny raviny tanora rehetra nitsimoka taminy. Tsy ilàna sandry mahery na olona maro akory ny hamongotra azy amin’ny fakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Koa ambarao amin’ny Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Moa ho vanona ve izany voaloboka izany? Tsy hongotan’ilay voromahery voalohany ve ny fakany, hosimbany ny voany ary hataony izay hahamaina ny sakeliny? Tsy mila hery lehibe na antokon-tafika maro akory izy hanongotana azy.
Malagasy Bible 1865
Ataovinao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny voany, mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia ny sandry mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin'ny fakany intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazaonao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny vahany ary hotazana ny voany mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra raha vao mitsimoka ka tsy ilàna sandry mahery na vahoaka betsaka akory hanongotra azy amin’ny fotony.
malagasy
Ataovinao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny voany, mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia ny sandry mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin'ny fakany intsony.[Na: na dia tsy misy sandry mahery na vahoaka betsaka manongotra azy amin'ny fakany aza]