Ezekiel 18:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny heloky ny rainy? Raha ny zanaka no manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy dia ho velona tokoa izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianareo kosa manao hoe: «Nahoana ny zanaka no tsy mba mitondra ny heloky ny rainy?» Nefa ny zanaka nanaraka ny hitsiny sy ny rariny, nitandrina ny didiko sy nanatanteraka azy, ka ho velona tokoa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Nefa ianareo manontany hoe: Nahoana ny zanaka no tsy mba mizaka ny fahadisoan-drainy? Satria manao izay marina sy mahitsy izy ary mitandrina sy manatanteraka ny lalànako rehetra, ka dia ho velona tokoa.
Malagasy Bible 1865
Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny heloky ny rainy? Raha ny zanaka no manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy dia ho velona tokoa izy.
malagasy
Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izy.