Ezekiel 18:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny olona izay manota no ho faty. Ny zanaka dia tsy hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray dia tsy hitondra ny heloky ny zanany. Ny fahamarinan’ny marina dia ho aminy ihany, ary ny faharatsian’ny ratsy fanahy kosa dia ho aminy ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fanahy izay manota dia io no ho faty; ny zanaka tsy hitondra ny heloky ny rainy; ary ny ray tsy hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ny marina ho aminy ihany; ary ny haratsian’ny ratsy dia ho aminy ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny olona nanota ihany no ho faty. Ny zanaka tsy hizaka ny fahadisoan’ny ray aman-dreniny, ary ny ray aman-dreny tsy hizaka ny fahadisoan’ny zanany. Ny olo-marina dia hovaliana soa noho ny fahamarinany ary ny olon-dratsy kosa hofaizina noho ny faharatsiany.»
Malagasy Bible 1865
Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny olona izay manota no ho faty. Ny zanaka dia tsy hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray dia tsy hitondra ny heloky ny zanany. Ny fahamarinan’ny marina dia ho aminy ihany, ary ny faharatsian’ny ratsy fanahy kosa dia ho aminy ihany.
malagasy