Ezekiel 18:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana. Noho ny fahadisoana sy ny fahotana izay nataony dia ho faty izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha miala amin’ny fahamarinana kosa ny marina ka manao ny tsy marina, araka ny fahavetavetana rehetra ataon’ny ratsy fanahy, - moa hanao izany izy va ka ho velona? - Tsy hotsarovana intsony ny asa fahamarinana rehetra narahiny; noho ny fahadisoana nahameloka azy sy ny fahotana nataony, noho izany dia ho faty izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa raha misy olo-marina miala amin’ny fahamarinany ka manao heloka araka ny zavatra rehetra maharikoriko izay fanaon’ny olon-dratsy, dia heverinareo ho velona ve izy? Tsia. Hohadinoina ireo asa tsara rehetra nataony, ka ho faty izy noho ny hadisoana amam-pahotana vitany.
Malagasy Bible 1865
Fa raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana. Noho ny fahadisoana sy ny fahotana izay nataony dia ho faty izy.
malagasy