Ezekiel 18:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak’Israely! Moa ny lalako va no tsy marina? Tsy ny lalanareo va no tsy marina?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo manao hoe: «Tsy marina ny lalan’ny Tompo!» Mihainoa àry, ry taranak’i Israely: Moa ny lalako va no tsy mahitsy? Moa tsy ny lalanareo va no tsy mahitsy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ianareo hoe: ‹Tsy marina ny fitòndran’ny Tompo!› Henoy tsara Aho, ry Israelita: Ny fitòndrako ve no tsy marina? Tsy ny fitondranareo ve no tsy marina?
Malagasy Bible 1865
Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran 'ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak'Isiraely: Moa ny fitondrako va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak’Israely! Moa ny lalako va no tsy marina? Tsy ny lalanareo va no tsy marina?
malagasy
Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak'Isiraely: Moa ny fitondrako va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?[Heb. lalana]