Ezekiel 18:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, Ahy ny aina rehetra; toy ny ain’ny ray, dia toy izany koa ny ain’ny zanany; samy Ahy ireny; ny olona izay manota no ho faty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin’ny ray, na ny fanahin’ny zanaka, samy Ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota dia izy no ho faty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa samy Ahy avokoa ny ain’ny tsirairay avy, na ny an’ny ray aman-dreny na ny an’ny zanany; koa izay olona manota ihany no ho faty.
Malagasy Bible 1865
Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin'ny ray, dia toy izany koa ny fanahin'ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, Ahy ny aina rehetra; toy ny ain’ny ray, dia toy izany koa ny ain’ny zanany; samy Ahy ireny; ny olona izay manota no ho faty.
malagasy
Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin'ny ray, dia toy izany koa ny fanahin'ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.