Ezekiel 19:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy rantsany matanjaka teo aminy ka azo natao tehim-panjakana ho an’izay manapaka izany. Tonga avo izy ka nitehika teny amin’ny rahona matevina, mora tazana noho ny haavony izy sy noho ny hamaroan’ny rantsany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanan-drantsana mafy izy, hatao tehin’ny mpanapaka, ary nisondrotra ho avo izy eo afovoan’ny sampana milobolobo; ka niseho tamim-boninahitra izy, mbamin’ireo rantsany maro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nisy rantsana mafy azo atao tehim-pahefàn’ny mpifehy; dia nisondrotra avo nitehi-drahona izy, ka nikoizana noho ny haavony mbamin’ny hamaroan’ireo rantsany.
Malagasy Bible 1865
Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho an'izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika tamin'ny rahona matevina, ary niseho tamin'ny hahavony izy noho ny hamaroan'ny rantsany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho an'izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika tamin'ny rahona matevina, ary niseho tamin'ny hahavony izy noho ny hamaroan'ny rantsany.