Ezekiel 19:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa nongotana tamin’ny fahavinirana izy ka nazera ho amin’ny tany; ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; ny rantsany matanjaka dia tapaka ka maina; levon’ny afo ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo, nongotana tamin-katezerana ka nazera amin’ny tany, ary ny rivotra avy atsinanana nanamaina ny voany: voafolaka ka nihamaina ny rantsany mafy, dia levon’ny afo izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa nongotana an-katezerana izy ka natsipy tamin’ny tany. Ny rivotra avy atsinanana no nahamaina ny voany ka nampihintsana azy. Nihamaina koa ny rantsany mafy ka natao levon’ny ao.
Malagasy Bible 1865
Nefa nongotana tamin'ny fahavinirana izy ka nazera ho amin'ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon'ny afo ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa nongotana tamin’ny fahavinirana izy ka nazera ho amin’ny tany; ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; ny rantsany matanjaka dia tapaka ka maina; levon’ny afo ireny.
malagasy
Nefa nongotana tamin'ny fahavinirana izy ka nazera ho amin'ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon'ny afo ireny.