Ezekiel 19:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Afo no mivoaka avy amin’ny sampany ka mandevona ny voany; tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fisaonana izany sady mbola ho hira fisaonana ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy afo nivoaka avy amin’ny sampany anankiray, ka nandevona ny voany; tsy manan-tsampana mahery intsony izy, na tehina fanapahany. Fitomaniana izany, sady ho tonga fitomaniana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy afo nivoaka avy tao amin’ny tahony ka nandevona ny rantsany sy ny voany; dia tsy misy intsony rantsana mafy azo atao tehim-pahefàn’ny mpifehy.» Tononkiram-palahelovana izany ka tokony hohiraina amin’alahelo.
Malagasy Bible 1865
Ary afo no mivoaka avy amin'ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Afo no mivoaka avy amin’ny sampany ka mandevona ny voany; tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fisaonana izany sady mbola ho hira fisaonana ihany.
malagasy