Ezekiel 19:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny Jentilisa manodidina, izay avy any amin’ny fari-piadidiany samihafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy ka voafandrika tamin’ny lavaka izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany ny firenena amin’ny tany manodidina nanainga hamely azy sy namela-pandrika harato teo amboniny, dia azony tao an-davany izy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ireo hafa firenena manodidina, avy amin’ny faritra samihafa, dia nivondrona hamely azy ka namelatra harato hahazoana azy ary namandrika azy hatao anaty lavaka.
Malagasy Bible 1865
Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin'ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin'ny lavaka izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny Jentilisa* manodidina, izay avy any amin’ny fari-piadidiany samihafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy ka voafandrika tamin’ny lavaka izy.
malagasy
Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin'ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin'ny lavaka izy.