Ezekiel 19:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataony tamin’ny tranokely izy ka nasiany masom-by ny orony ary noentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilona izy; noentiny ho ao amin’ny manda izy mba tsy ho re intsony ny feony eny amin’ny tendrombohitry ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nalatsany amin’ny fonja, nasiany faraingo ny vavany, nentiny ho amin’ny mpanjakan’i Babilôna, nentiny ho any amin’ny trano mimanda, mba tsy handrenesana ny feony intsony, eny an-tendrombohitr’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasiany farango vy tamin’ny orony izy, dia nohidiny tao anaty vata makarakara ary nentiny tany amin’ny mpanjakan’i Babilôna; dia nataony an-tranomaizina izy mba tsy ho re mieronerona intsony eny amin’ny tendrombohitr’i Israely.»
Malagasy Bible 1865
Ary nataony tamin'ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona izy, nentiny ho ao amin'ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin'ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataony tamin’ny tranokely izy ka nasiany masom-by ny orony ary noentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilona izy; noentiny ho ao amin’ny manda izy mba tsy ho re intsony ny feony eny amin’ny tendrombohitry ny Israely.
malagasy