Ezekiel 20:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon’ny Israely mba hanontany amin’NY TOMPO ka nipetraka teo anatrehako izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-7, volana faha-5, andro faha-10n’ny volana, tonga tao amiko, mba hanontany amin’i Iaveh, ny sasany amin’ny loholon’i Israely, ka nipetraka teo anatrehako;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona fahafito taorian’ny fahababoana, nony andro fahafolon’ny volana fahadimy, dia tonga nanatona ahy ireo loholona israelita vitsivitsy mba hanontany ny TOMPO, ka nipetraka teo anatrehako.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon'ny Isiraely mba hanontany amin'i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon’ny Israely mba hanontany amin’NY TOMPO ka nipetraka teo anatrehako izy.
malagasy
[Ny toetry ny Isiraely hatramin'ny ela, sy ny zavatra hanjo azy, ary ny mbola hampodian'Andriamanitra azy]Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon'ny Isiraely mba hanontany amin'i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako izy.