Ezekiel 20:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho Amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho TOMPO no manamasina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nomeko azy koa ny sabatako ho famantarana amiko sy amin’izy ireo, mba hahalalany fa Izaho no Iaveh manamasina azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nomeko azy koa ny andro sabatako mba ho mariky ny fifandraisany amiko sy mba hiekeny fa Izaho TOMPO no nanokana azy Israelita ho Ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho Amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho TOMPO no manamasina azy.
malagasy
Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.