Ezekiel 20:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanjo nikomy tamiko tany an-tany efitra ihany ny taranak’Israely. Tsy nandeha araka ny didiko izy fa nanamavo ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto izay tsy izy ny Sabatako izy ka hoy Aho: Haidiko aminy any an-tany efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nivadika tamiko anefa ny taranak’i Israely, tany an’efitra, tsy nanaraka ny lalàko izy, sady nanary ny didiko, izay ahaveloman’ny olona manaraka azy, ary nametaveta izaitsizy ny sabatako. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin’izy ireo tany an’efitra Aho, mba handringana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo nikomy tamiko tany an-taniefitra ireo! Tsy noraharahainy ny lalànako ary nohamavoiny ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manatanteraka ireny. Nozimbazimbainy mihitsy ny andro sabatako. Koa nihevitra indray Aho ny hampitosaka ny fahatezerako aminy tany an-taniefitra mba hahalany ringana azy.
Malagasy Bible 1865
Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak'Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanjo nikomy tamiko tany an-tany efitra ihany ny taranak’Israely. Tsy nandeha araka ny didiko izy fa nanamavo ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto izay tsy izy ny Sabatako izy ka hoy Aho: Haidiko aminy any an-tany efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
malagasy