Ezekiel 20:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-tany efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin’ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tsara indrindra amin’ny tany rehetra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa nanainga ny tanako hamely azy Aho tany an’efitra, nianiana tamin’izy ireo fa tsy hampiditra azy any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely efa natolotro azy, - sady tsara indrindra amin’ny tany rehetra, -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nianiana taminy koa Aho tany an-taniefitra fa tsy hitondra azy hiditra ao amin’ny tany efa nomeko azy, dia tany izay tondra-dronono sy tantely sady mahafinaritra noho ny tany hafa rehetra;
Malagasy Bible 1865
Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin'ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-tany efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin’ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tsara indrindra amin’ny tany rehetra,
malagasy
Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin'ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,