Ezekiel 20:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanjo nikomy tamiko koa ny zanany. Tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy ka hoy Aho: Haidiko aminy ny fahavinirako ary hanamparako ny fahatezerako any an-tany efitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niodina tamiko koa anefa ireo zanany, fa ny didiko tsy narahiny, tsy notandremany tamin’ny fanatanterahana azy. Ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka azy, ary ny sabatako novetavetainy. Nihevitra ny handatsaka ny hatezerako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany an’efitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo nikomy tamiko koa ireo zanany. Tsy narahiny ny lalànako ary tsy notandroviny hotanterahina ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manatanteraka ireny, sady nozimbazimbainy ny andro sabatako. Koa nihevitra Aho ny hampihatra sy hampitosaka ny fahavinirako amam-pahatezerako aminy any an-taniefitra.
Malagasy Bible 1865
Kanjo niodina tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako. ary hotanterahiko aminy any an-efitra ny fahatezerato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanjo nikomy tamiko koa ny zanany. Tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy ka hoy Aho: Haidiko aminy ny fahavinirako ary hanamparako ny fahatezerako any an-tany efitra izy.
malagasy